client_id stringlengths 21 21 | path stringlengths 42 42 | sentence stringlengths 2.41k 10.3k | up_votes int64 0 0 | down_votes float64 | age float64 | gender float64 | accents stringclasses 1
value | variant float64 | locale stringclasses 1
value | segment float64 |
|---|---|---|---|---|---|---|---|---|---|---|
at01-Genesisy_toko_44 | ./audio/mg/train/at01-Genesisy_toko_44.wav | Ary Josefa nanome teny ny mpikarakara ny tao an-tranony ka nanao hoe: Fenoy hanina ny lasakan'ireo lehilahy ireo, araka izay zakany ho entina, ary ataovy eo am-bavan'ny lasakany avy ny volan'ny isan-dahy;
2 ary ny kapoakako, dia ilay kapoaka volafotsy, ataovy eo am-bavan'ny lasakan'ilay faralahy mbamin'ny vola hamidin... | 0 | null | null | null | Malagasy | null | mg | null |
at01-Genesisy_toko_18 | ./audio/mg/train/at01-Genesisy_toko_18.wav | 1 ARY Jehovah niseho tamin'i Abrahama teo an-kazo terebintan'i Mamre; ary nipetraka teo am-baravaran'ny lainy izy, raha nafana ny andro;
2 dia nanopy ny masony izy ka niery, ary, indreo, nisy telo lahy nijanona teo tandrifiny, ka nony nahita ireo izy, dia niala teo am-baravaran'ny lainy ka nlhazakazaka hitsena azy, ... | 0 | null | null | null | Malagasy | null | mg | null |
at01-Genesisy_toko_14 | ./audio/mg/train/at01-Genesisy_toko_14.wav | 1 ARY tamin'ny andron'i Amrafela. mpanjakan'i Sinara, sy Arioka, mpanjakan'i Elasara. sy Kedorlaomera mpanjakan'i Elama. ary Tidala. mpanjakan'ny Goima,
2 dia nandeha izy ireo ka nanafika an'i Bera, mpanjakan'i Sodoma. sy Birsa, mpanjakan'i Gomora. sy Sinaba, mpanjakan'i Adma, sy Semebera, mpanjakan'i Zeboima, ary ny... | 0 | null | null | null | Malagasy | null | mg | null |
at01-Genesisy_toko_21 | ./audio/mg/train/at01-Genesisy_toko_21.wav | 1 ARY Jehovah namangy an'i Saraha araka ilay efa nolazainy, ary dia nataon'i Jehovah tamin'i Saraha araka i1ay efa noteneniny.
2 Dia nanan-anaka Saraha ka niteraka zazalahy tamin'i Abrahama, rehefa antitra izy, tamin'ny fotoana izay efa nolazain'Andriamanitra taminy.
3 Ary ny anaran'ny zanany izay teraka, ilay nater... | 0 | null | null | null | Malagasy | null | mg | null |
at01-Genesisy_toko_23 | ./audio/mg/train/at01-Genesisy_toko_23.wav | 1 ARY ny andro niainan'i Saraha dia fito amby roa-polo amby zato taona; izany no taona niainan'i Saraha.
2 Ary Saraha dia maty tao Kiriat-arba (Hebrona izany) tany amin'ny tany Kanana; dia tonga Abrahama hisaona an'i Saraha sy hitomany azy.
3 Ary Abrahama nitsangana niala avy teo anilan'ny fatin'ny vadiny, dia niteny... | 0 | null | null | null | Malagasy | null | mg | null |
at01-Genesisy_toko_06 | ./audio/mg/train/at01-Genesisy_toko_06.wav | Ary raha vao nihamaro ny olona tambonin'ny tany ka teraka zazavavy maro, dia hitan'ny zanak'Andriamanitra fa tsara tarehy ny zanakavavin'ny olona; ka dia nifidy vady ho azy tamin'izy rehetra araka izay tiany izy. Ary hoy Jehovah: Tsy mba hananaka mandrakariva ao amin'ny olona ny Fanahiko, fa amin'ny faniavany dia nofo ... | 0 | null | null | null | Malagasy | null | mg | null |
at01-Genesisy_toko_12 | ./audio/mg/train/at01-Genesisy_toko_12.wav | 1 ARY hoy Jehovah tamin'i Abrama: Mandehana miala amin'ny taninao sy ny havanao ary ny tranon'ny rainao hankany amin'ny tany izay hasehoko anao;
2 dia hahatonga anao ho firenena lehibe Aho sady hitahy anao sy hahalehibe ny anaranao; ary ho fitahiana tokoa hianao;
3 ary hitahy izay manisy soa anao Aho, fa hanozona iz... | 0 | null | null | null | Malagasy | null | mg | null |
at01-Genesisy_toko_34 | ./audio/mg/train/at01-Genesisy_toko_34.wav | 1 DIA nivoaka Dina, zanakavavin'i Lea, izay naterany tamin'i Jakoba, mba hizaha ny zazavavy tompon-tany.
2 Ary nahita azy Sekema, zanakalahin'i Hamora Hivita, andriana tamin'izany tany izany; dia naka azy izy ary nandry taminy ka nampietry azy.
3 Ary ny fony dia raiki-pitia tamin'i Dina, zanakavavin'i Jakoba; eny, ... | 0 | null | null | null | Malagasy | null | mg | null |
at01-Genesisy_toko_09 | ./audio/mg/train/at01-Genesisy_toko_09.wav | 1 Ary Andriamanitra nitso-drano an'i Noa sy ny zanany hoe; Maroa fara sy mihabetsaha ary mamenoa ny tany.
2 Ary ny tahotra sy horohoro anareo hahazo ny bibi-dia rehetra sy ny voro-manidina rehetra; ireny mbamin'izay rehetra mandady na mikisaka amin'ny tany sy ny hazandrano rehetra ao amin'ny ranomasina dia efa natolot... | 0 | null | null | null | Malagasy | null | mg | null |
at01-Genesisy_toko_43 | ./audio/mg/train/at01-Genesisy_toko_43.wav | 1 ARY mafy ny mosary teo amin'ny tany.
2 Ary rehefa làniny ny vary izay efa nalainy tany Egypta, dia hoy ny rainy taminy: Mandehana indray, mividia hanina kely ho antsika.
3 Ary Joda niteny taminy ka nanao hoe: Efa nilaza mafy taminay ralehilahy ka nanao hoe: Tsy hahita ny tavako hianareo, raha tsy hiaraka aminareo i... | 0 | null | null | null | Malagasy | null | mg | null |
at01-Genesisy_toko_22 | ./audio/mg/train/at01-Genesisy_toko_22.wav | 1 ARY rehefa afaka izany zavatra izany, dia nizahan'Andriamanitra toetra Abrahama, ka hoy Izy taminy: Ry Abrahama ô! ary hoy izy; Inty aho.
2 Ary hoy Izy: Ento ny zanakao, ny lahitokanao izay tianao, dia Isaka ka mankanesa any amin'ny tany Moria; ary atero any izy ho fanatitra dorana ao amin'ny tendrombohitra anankira... | 0 | null | null | null | Malagasy | null | mg | null |
at01-Genesisy_toko_03 | ./audio/mg/train/at01-Genesisy_toko_03.wav | 1 Ary ny menarana dia fetsy noho ny bibi-dia rehetra izay nataon'i Jehovah Andriamanitra. Ary hoy izy tamin-dravehivavy: Hanky! efa nataon'Andriamanitra hoe: Aza ihinananareo ny hazo rehetra amin'ny saha?
2 Fa hoy ravehivavy tamin'ny menarana: Ny voan'ny hazo eo amin'ny saha dia azonay ihinanana ihany;
3 fa hy voan'n... | 0 | null | null | null | Malagasy | null | mg | null |
at01-Genesisy_toko_28 | ./audio/mg/train/at01-Genesisy_toko_28.wav | 1 Ary Isaka nampaka an'i Jakoba ka nitso-drano azy ary namepetra azy hoe: Aza maka vady avy amin'ny zanakavavin'ny Kananita hianao.
2 Miainga ka mankanesa any Mesopotamia, any amin'ny tranon'i Betoela rain-dreninao; dia maka vady any, avy amin'ny zanakavavin'i Labana anadahindreninao.
3 Ary Andriamanitra Tsitoha anie... | 0 | null | null | null | Malagasy | null | mg | null |
at01-Genesisy_toko_19 | ./audio/mg/train/at01-Genesisy_toko_19.wav | 1 DIA nankany Sodoma ilay anjely roa nony hariva, raha Lota nipetraka teo am-bavahadin'i Sodoma; ary raha nahita azy Lota, dia nitsangana mba hitsena azy izy ka niankohoka tamin'ny tany.
2 Dia hoy izy: Mba mivilia hianareo, tompoko, ho ato an-tranon'ny mpanomponareo, ka mandria anio alina, ary sasao ny tongotrareo, a... | 0 | null | null | null | Malagasy | null | mg | null |
at01-Genesisy_toko_10 | ./audio/mg/train/at01-Genesisy_toko_10.wav | 1 Ary izao no taranaky ny zanakalahin'i Noa, dia Sema sy Hama ary Jafeta: Samy niteraka zazalahy avy izy taorian'ny safo-drano.
2 Ny zanakalahin'i Jafeta dia Gomera sy Magoga sy Maday sy Javana sy Tobala sy Maseka ary Tirasa.
3 Ary ny zanakalahin'i Gomera dia Askenaza sy Rifata ary Togarma.
4 Ary ny zanakalahin'i Ja... | 0 | null | null | null | Malagasy | null | mg | null |
at01-Genesisy_toko_20 | ./audio/mg/train/at01-Genesisy_toko_20.wav | 1 DIA nifindra niala teo Abrahama nankany amin'ny tany atsimo ka nitoetra teo anelanelan'i Kadesy sy Sora ary nivahiny tao Gerara izy.
2 Ary hoy ny filazan'i Abrahama an'i Saraha vadiny: Anabaviko izy; dia naniraka Abimeleka, mpanjakan'i Gerara, nampaka an'i Saraha.
3 Fa Andriamanitra nankeo amin'i Abimeleka, tamin'... | 0 | null | null | null | Malagasy | null | mg | null |
at01-Genesisy_toko_04 | ./audio/mg/train/at01-Genesisy_toko_04.wav | 1 Ary Adama nahalala an'i Eva vadiny; dia nanan-anaka Eva ka niteraka an'i Kaina, ary hoy izy: Efa nahazo zazalahy tamin'i Jehovah aho.
2 Ary niteraka an'i Abela rahalahiny koa izy. Ary Abela dia mpiandry ondry, fa Kaina kosa mpiasa tany.
3 Ary rehefa afaka elaela, dia nitondran'i Kaina ny vokatry ny tany ho fanatitr... | 0 | null | null | null | Malagasy | null | mg | null |
at01-Genesisy_toko_33 | ./audio/mg/train/at01-Genesisy_toko_33.wav | 1 Ary Jakoba dia nanopy ny masony ka nahatazana fa indro tamy Esao, mitondra efa-jato lahy. Dia nozarazarainy ny zaza ho amin'i Lea sy Rahely ary ho amin'ny ankizivavy roa.
2 Ary nataony loha-làlana ny ankizivavy roa sy ny zanany, ary Lea sy ny zanany nanarakaraka, ary Rahely sy Josefa no vodi-làlana.
3 Ary Jakoba n... | 0 | null | null | null | Malagasy | null | mg | null |
at01-Genesisy_toko_17 | ./audio/mg/train/at01-Genesisy_toko_17.wav | 1 ARY rehefa sivy amby sivi-folo taona Abrama, dia nisehoan'i Jehovah izy ka nitenenany hoe: Izaho no Andriamanitra Tsitoha; mandehana eo anatrehako, ka aoka ho tsy misy tsiny hianao.
2 Fa Izaho hanao ny fanekeko ho amiko sy ho aminao ary hahamaro anao indrindra.
3 Dia niankohoka Abrama; ary Andriamanitra niteny ta... | 0 | null | null | null | Malagasy | null | mg | null |
at01-Genesisy_toko_32 | ./audio/mg/train/at01-Genesisy_toko_32.wav | 1 Ary nifoha maraina koa Labana, dia nanoroka ny zanani-lahy sy ny zananivavy ka nitso-drano azy; dia lasa nandeha Labana nody any amin'ny fonenany.
2 Ary Jakoba nizotra tamin'ny làlan-kalehany, dia nisy anjelin'Andriamanitra nitsena azy.
3 Ary hoy Jakoba, raha nahita ireo: Tobin'Andriamanitra ity; ary ny anaran'iza... | 0 | null | null | null | Malagasy | null | mg | null |
at01-Genesisy_toko_48 | ./audio/mg/train/at01-Genesisy_toko_48.wav | 1 ARY rehefa afaka izany, dia nisy nilaza tamin'i Josefa, hoe: Indro marary ny rainao. Dia nentiny niaraka taminy Manase sy Efraima, zanany mirahalahy.
2 Ary nisy nilaza tamin'i Jakoba ka nanao hoe: Indro, Josefa zanakao tamy ho ety aminao; dia nanatanja-tena Isiraely ka niarina teo ambonin'ny farafara.
3 Ary hoy Jak... | 0 | null | null | null | Malagasy | null | mg | null |
at01-Genesisy_toko_45 | ./audio/mg/train/at01-Genesisy_toko_45.wav | 1 Ary Josefa tsy nahatsindry ny fangorakoraky ny fony intsony teo anatrehan'izay rehetra teo aminy; dia niantso izy ka nanao hoe: Avoahy ny olona rehetra hiala eto amiko. Ary dia tsy nisy olona na dia iray aza nijanona teo amin'i Josefa, raha nanao izay hahafantaran'ny rahalahiny azy izy.
2 Dia nitomany mafy izy, ka ... | 0 | null | null | null | Malagasy | null | mg | null |
at01-Genesisy_toko_49 | ./audio/mg/train/at01-Genesisy_toko_49.wav | 1 ARY Jakoba namory ny zanani-lahy ka nanao hoe: Mivoria hianareo, mba hanambarako aminareo izay ho tonga aminareo any am-parany.
2 Miangòna, ka mandrenesa, ry zanakalahin'i Jakoba, eny, mihainoa an'Isiraely rainareo:
3 Ry ROBENA, lahimatoako hianao, heriko sy voalohan'ny tanjako, manan-tombom-pisandratana, manan-... | 0 | null | null | null | Malagasy | null | mg | null |
at01-Genesisy_toko_07 | ./audio/mg/train/at01-Genesisy_toko_07.wav | 1 Ary hoy lehovah tamin'i Noa: Midira ao anatin'ny sambo-fiara hianao mbamin'ny ankohonanao rehetra, satria hianao no hitako fa marina eo anatrehako amin'izao olona miara-belona aminao izao.
2 Ny biby madio rehetra isan-karazany dia hanalanao ho ao aminao fito avy, lahy sy vavy; ary ny biby tsy madio isan-karazany roa... | 0 | null | null | null | Malagasy | null | mg | null |
at01-Genesisy_toko_42 | ./audio/mg/train/at01-Genesisy_toko_42.wav | 1 ARY fantatr'i Jakoba fa nisy vary tany Egypta, dia hoy izy tamin'ny zanani-lahy: Nahoana no mifampijery foana hianareo ?
2 Dia hoy koa izy: Indro, efa reko fa misy vary any Egypta; andeha midina any hianareo, ka mividia ho antsika, mba ho velona isika, fa tsy ho faty.
3 Dia lasa nidina izy folo lahy rahalahin'i Jos... | 0 | null | null | null | Malagasy | null | mg | null |
at01-Genesisy_toko_47 | ./audio/mg/train/at01-Genesisy_toko_47.wav | 1 ARY Josefa nankao amin'i Farao ka ni1aza taminy hoe: Ny raiko sy ny rahalahiko ary ny ondry aman-osiny sy ny ombiny mbamin'izay rehetra ananany dia efa tonga avy tany amin'ny tany Kanana; ka, indreo, ao amin'ny tany Gosena izy.
2 Ary ny dimy lahy tamin'ny rahalahiny no nalainy ka nentiny teo anatrehan'i Farao.
3 Ar... | 0 | null | null | null | Malagasy | null | mg | null |
at01-Genesisy_toko_27 | ./audio/mg/train/at01-Genesisy_toko_27.wav | 1 ARY rehefa antitra Isaka, ary pahina ny masony ka tsy nahita, dia niantso an'i Esao lahimatoany izy ka nanao taminy hoe: Anaka; ary hoy izy taminy kosa: Inty aho.
2 Ary hoy izy: Indro fa efa antitra aho, ka tsy fantatro izay andro hahafatesako;
3 koa ankehitriny, masina hianao, alao ny fitifiranao dia ny tranon-jàn... | 0 | null | null | null | Malagasy | null | mg | null |
at01-Genesisy_toko_50 | ./audio/mg/train/at01-Genesisy_toko_50.wav | 1 Ary Josefa nihohoka tamin'ny tavan'ny rainy ka nitomany teo amboniny sady nanoroka azy.
2 Ary nasain'i Josefa nanosotra zava-manitra an-drainy ny mpanompony izay mpanao fanafody; dia nanosotra an'Isiraely ny mpanao fanafody.
3 Ary notanterahiny taminy ny efa-polo andro, fa izany no isan'ny andro nanosoram-paty; ar... | 0 | null | null | null | Malagasy | null | mg | null |
at01-Genesisy_toko_15 | ./audio/mg/train/at01-Genesisy_toko_15.wav | 1 REHEFA afaka izany, dia tonga tamin'i Abrama ny tenin'i Jehovah tamin'ny fahitana ka nanao hoe: Aza matahotra, ry Abrama; Izaho no ampinganao sy valim-pitia lehibe indrindra ho anao.
2 Ary hoy Abrama: Jehovah Tompo ô, inona no homenao ahy? fa izaho mandroso fahanterana nefa tsy manan-janaka, ary ny ho tompon'ny ah... | 0 | null | null | null | Malagasy | null | mg | null |
at01-Genesisy_toko_08 | ./audio/mg/train/at01-Genesisy_toko_08.wav | 1 Ary Andriamanitra nahatsiaro an'i Noa mbamin'ny bibi-dia rehetra ary ny biby fiompy rehetra, izay niara-nitoetra taminy tao anatin'ny sambo-fiara; ary Andriamanitra nampandeha rivotra eran'ny tany, ka dia nihena ny rano.
2 Ary tampina ny loharanon'ny lalina sy ny varavaran'ny lanitra, ka nitsahatra ilay ranonorana n... | 0 | null | null | null | Malagasy | null | mg | null |
at01-Genesisy_toko_05 | ./audio/mg/train/at01-Genesisy_toko_05.wav | 1 Ity no boky milaza ny taranak'i Adama: Tamin'ny andro namoronan'Andriamanitra ny olona dia tahaka ny tarehin'Andriamanitra no nanaovany azy;
2 lahy sy vavy no namoronany azy; dia nitahy azy Izy ka nanao ny anarany hoe Adama tamin' ny andro namoronany azy.
3 Ary rehefa telo-nolo amby zato taona ny andro niainan'i Ad... | 0 | null | null | null | Malagasy | null | mg | null |
at01-Genesisy_toko_35 | ./audio/mg/train/at01-Genesisy_toko_35.wav | 1 ARY hoy Andriamanitra tamin'i Jakoba: Miaingà, miakara any Betela hianao ka monena any; ary manorena alitara any ho an'Andriamanitra Izay niseho taminao, fony hianao nandositra ny tavan'i Esao rahalahinao.
2 Dia hoy Jakoba tamin'izay tao an-tranony mbamin'izay rehetra nomba azy: Ario ireo andriamani-kafa, izay ao am... | 0 | null | null | null | Malagasy | null | mg | null |
at01-Genesisy_toko_40 | ./audio/mg/train/at01-Genesisy_toko_40.wav | 1 ARY taorian'izany ny mpitondra kapoakan'ny mpanjakan'i Egypta sy ny mpanao mofony dia diso tamin'ny mpanjakan'i Egypta tompony.
2 Ary tezitra indrindra tamin'ireo tandapany roa lahy ireo Farao, dia tamin'ny lehiben'ny mpitondra kapoaka sy ny lehiben'ny mpanao mofo.
3 Dia nataony tao an-trano-maizina izy roa lahy... | 0 | null | null | null | Malagasy | null | mg | null |
at01-Genesisy_toko_39 | ./audio/mg/train/at01-Genesisy_toko_39.wav | 1 ARY Josefa nentina nidina ho any Egypta; ary Potifara, lehilahy Egyptiana, tandapan'i Farao sady mpifehy ny mpiambina, no nividy azy tamin'ny Isimaelita, izay nitondra azy nidina tany.
2 Ary Jehovah nomba an'i Josefa, dia lehilahy nambinina izy; ary nitoetra tao an-tranon'ilay Egyptiana tompony izy.
3 Ary hitan'ny ... | 0 | null | null | null | Malagasy | null | mg | null |
at01-Genesisy_toko_16 | ./audio/mg/train/at01-Genesisy_toko_16.wav | 1 ARY Saray, vadin'i Abrama, tsy mba niteraka; ary izy nanana mpanompovavy Egyptiana, Hagara no anarany.
2 Ary hoy Saray tamin'i Abrama: Indro, efa tsy nanome zanaka ahy Jehovah; masina hianao, mivadia amin'ny mpanompovaviko; angamba hahazo zaza aminy aho. Dia neken'i Abrama ny tenin'i Saray. 16:3 Ary rehefa nonina ... | 0 | null | null | null | Malagasy | null | mg | null |
at01-Genesisy_toko_38 | ./audio/mg/train/at01-Genesisy_toko_38.wav | 1 ARY tamin'izany andro izany Joda dia nidina niala teo amin'ny rahalahiny ka lasa nanatona ny lehilahy Adolamita anankiray. Hira no anarany.
2 Ary teo no nahitan'i Joda ny zanakavavin'i Soa, lehilahy Kananita anankiray; dia naka azy izy ka nanambady azy.
3 Dia nanan-anaka ravehivavy ka niteraka zazalahy; ary ny ana... | 0 | null | null | null | Malagasy | null | mg | null |
at01-Genesisy_toko_02 | ./audio/mg/train/at01-Genesisy_toko_02.wav | 1 Dia vita ny lanitra sy ny tany sy izay rehetra ao aminy.
2 Ary tamin'ny andro fahafito dia vitan'Andriamanitra ny asa efa nataony; ary dia nitsahatra tamin'ny andro fahafito Izy tamin'ny asany rehetra izay efa nataony.
3 Ary Andriamanitra nitahy ny andro fahafito sy nanamasina azy, satria tamin'izany no nitsaharan'... | 0 | null | null | null | Malagasy | null | mg | null |
at01-Genesisy_toko_25 | ./audio/mg/train/at01-Genesisy_toko_25.wav | 1 ARY Abrahama nampaka-bady indray, Ketora no anarany.
2 Dia niteraka an'i Zimrana sy Joksana sy Medana sy Midiana sy Jisbaka ary Soaha tamin'i Abrahama izy.
3 Ary Joksana niteraka an'i Sheba sy Dedana. Ary ny zanakalahin'i Dedana dia Asorima sy Letosima ary Leomima.
4 Ary ny zanakalahin'i Midiana dia Efaha sy Efer... | 0 | null | null | null | Malagasy | null | mg | null |
at01-Genesisy_toko_31 | ./audio/mg/train/at01-Genesisy_toko_31.wav | 1 ARY Jakoba nandre ny tenin'ny zanakalahin'i Labana nanao hoe: Efa lasan'i Jakoba avokoa izay rehetra nananan'ny raintsika; ary avy tamin'ny fananan'ny raintsika no nahazoany izao voninahitra rehetra izao.
2 Ary hitan'i Jakoba ny tarehin'i Labana, fa indro tsy mba miramirana taminy tahaka ny taloha izy.
3 Ary hoy J... | 0 | null | null | null | Malagasy | null | mg | null |
at01-Genesisy_toko_30 | ./audio/mg/train/at01-Genesisy_toko_30.wav | 1 Ary rehefa hitan-dRahely fa tsy mba niteraka tamin'i Jakoba izy, dia nialona ny rahavaviny izy, ka hoy izy tamin'i Jakoba: Mba omeo zaza aho, fa raha tsy izany, dia ho faty aho.
2 Dia nirehitra tamin-dRahely ny fahatezeran'i Jakoba, ka hoy izy: Solon'Andriamanitra, Izay nahamomba anao tsy hiteraka, va aho?
3 Ary ho... | 0 | null | null | null | Malagasy | null | mg | null |
at01-Genesisy_toko_11 | ./audio/mg/train/at01-Genesisy_toko_11.wav | 1 Ny nanaovan'ny olona ilay tilikambo tao Babela, sy ny nanorokoroan'Andriamanitra ny fitenin'ny olona. Ary ny tany rehetra dia iray fanononana sy iray fiteny.
2 Ary raha nifindrafindra niantsinanana ny olona, dia nahita tany lemaka tany amin'ny tany Sinara izy ka nonina teo.
3 Ary niresadresaka hoe izy: Andeha isika... | 0 | null | null | null | Malagasy | null | mg | null |
at01-Genesisy_toko_24 | ./audio/mg/train/at01-Genesisy_toko_24.wav | 1 ARY Abrahama dia efa zokiolona sady nandroso fahanterana; ary Jehovah efa nitahy an'i Abrahama tamin'ny zavatra rehetra.
2 Ary hoy Abrahama tamin'i1ay lehiben'ny mpanompony tao an-tranony, izay mpanapaka ny nananany rehetra: Mba ataovy ato ambanin'ny feko ny tànanao;
3 fa hampianianiko amin'i Jehovah, Andriamanitr... | 0 | null | null | null | Malagasy | null | mg | null |
End of preview. Expand in Data Studio
- Downloads last month
- 11